1 Atsipazo eny ambonin'ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.

2 Samy omeo anjara ny fito, ary na dia ny valo aza, fa tsy fantatrao izay fahoriana hanjo aty ambonin'ny tany.

3 Raha feno ranonorana ny rahona, dia halatsany amin'ny tany izany; ary na mianjera mianatsimo na mianavaratra ny hazo dia eo amin'izay ianjerany ihany no handriany.

4 Izay fatra-pihevitra ny rivotra tsy hamafy ary izay manahy ny rahona tsy hijinja.

5 Toy ny tsy ahafantaranao ny amin'alehan'ny rivotra, na ny amin'ny fitombon'ny taolana ao an-kibon'izay manan-anaka, dia toy izany no tsy ahafantaranao ny asan'Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra.

6 Amin'ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin'ny hariva dia aza atsahatra tnanao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy tonta.

7 Mamy tokoa ny mazava, ary mahafinaritra ny maso ny mijery ny masoandro.

8 fa na dia ela velona aza ny olona, dia aoka ho faly amin'ny androny rehetra izy ka hahatsiaro ny andro maizina, fa ho maro ireny: izy rehetra ho avy dia zava-poana.

9 Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora hianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin'ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin'izay sitraky ny fonao sy izay jeren'ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin'Andriamanitra hotsaraina hianao amin'izany rehetra izany. 

10 Koa esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.
